Fandriampahalemana

Hala-jaza Dadatoan’ireo ankizy ihany no ahiahiana


  • Talata 21 Jona 2022

Lehilahy iray 25 taona ahiahiana ho nangala-jaza mianadahy 08 sy 10 taona ny sabotsy 18 jona no nosamborina tany Mahabo.

Ny andron'io sabotsy io tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany hariva raha tsiahivina no tonga tao amin'ny biraon'ny Polisy ao Mahabo ny Reniben'ireo zaza mianadahy ireo nampilaza fa tsy hita ny zafikeliny roa. Nanadihady avy hatrany ny Polisy mahakasika izany ka fantatra fa noentin'ity lehilahy ity, izay tsy iza fa dadatoan'izy ireo ihany nandeha taxi-brosy hizotra hankaty Antananarivo. Tsy niandry ela ny Polisy fa niroso tamin’ny fanenjehana ity rangahy ity ka vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ireo Polisy tao Mandoto dia voasambotra ity farany niaraka tamin'ireo zaza kely roa tokony ho tamin'ny 11 ora alina teo ho eo. Noentina niverina nihazo ny Kaomisaria ao Mahabo avy hatrany izy ireo rehefa tratra mba hanaovana ny famotorana. Efa tafaverina any amin'ny renibeny ireo zaza ireo ary salama tsara. Notazomina ao biraon'ny Polisy kosa ilay rangahy mandra-pahavitan'ny fanadiadiana hatao aminy.
Nangonin’i Pati

Legende : Ity ilay Rangahy nitondra ireo ankizy nitsoaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT