HALA-BOLA 2 TAPITRISA AR

3 lahy sarona teo am-pisotrosotroana


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

Lehilahy miisa telo no voasambotry ny Polisim-pirenena tao Mananara Avaratra

taorian’ny halatra vola 2.000.000 Ariary izay niseho tao amin’ny tranon’ny Talen’ny orinasa iray tany an-toerana, ny harivan’ny 21 Aogositra lasa teo. Naharay vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Polisim-pirenena, raha tsiahivina , izay nilaza fa nisy olona mampiahiahy nividy zava-pisotro tao amin’ny trano fisotroana iray ao amin'ny Fokontany Andraokaraoka. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy nisambotra ireo ahiahiana. Tamin’ny fisavana natao dia nahitana ilay vola 2.000.000 Ar tao anaty kitapon'ny iray tamin'izy ireo. Niaiky ireo voasambotra fa avy tamin’ilay halatra io vola io, ary nilaza fa nampian’ny mpahandro tao an-trano ihany koa izy tamin’ny fanatanterahana izany. Notanana natao fanadihadiana ireo mpangalatra mialohan'ny hanolorana azy ireo eo anatrehan'ny fampanoavana.
Pati
Légende : Ireto izy telolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT