Habibiana tao Ejeda

Notrobaran’ny olon-dratsy ny mason’ilay renim-pianakaviana


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Renim-pianakaviana iray voalaza ho namonjy havoria ary nody tamin’ny 4 ora maraina teo ho eo ny sabotsy teo no

notrobaran’ny olon-dratsy ny masony havia sy havanana, raha ny tati-baovao voaray. Tao Ejeda, atsimo andrefan’i Toliara no nitrangan’izao habibiana izao, raha ny fanampim-panazavana. 2 vavy izy ireo no niaraka ary narahana lehilahy miisa 2 izay namono nahafaty ilay vehivavy iray. Tsy maty kosa ity renimpianakaviana voatrobaka maso ity na dia efa nototain’ireo jiolahy vato aza ny lohany ary afaka niantso vonjeo. Efa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitaly moa ity renim-pianakaviana ity tamin’iny sabotsy iny ihany raha toa ka mbola nifampitadiavana kosa ny razan’ilay namany iray, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Mipetraka hatrany moa ny fanontaniana, indrindra, amina vanim-potoana toy izao eto amin’ny firenena hoe aiza ny tena maha mpitandro ny filaminana tandroka aron’ny vozona natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany? Toa rakotr’izany anefa amin’izao fotoana izao eto Antananarivo ary toa tsy hiady amin’izany akory no antony hijoroana fa manao ho hery famoretana vahoaka manao hetsika hitakiana fahamarinana sy fangaraharaham-pifidianana am-pilaminana ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT