Fandriampahalemana

Grenady nikendrena an-dRatsiraka Afenimpenina


  • Zoma 01 Septambra 2017

Nangina tanteraka tsy nisy tohiny intsony ny momba ilay grenady hita teo amin’ny “parking” an’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka ny 28 jona lasa teo.

Nambara tamin’izany fotoana fa mandeha ny fanadihadiana, kanefa tsy mbola nisy ny tatitra ofisialy hatramin’izao. Tsy nipoaka anefa iny fitaovam-piadiana iny ary mazava ho azy fa tokony ho fantatra ny toerana nivoahany sy ny mety ho olona tao ambadika satria ny ain’ny minisitry ny fizahantany mihitsy no saika hofofoina, matoa teo amin’ny faritra fijanonan’ny fiara mpitondra azy no nisy nametraka grenady. Hentitra rahateo i Roland Ratsiraka nilaza fa tokony hatao ny fanadihadiana lalina, ary hanaraka akaiky ny fizotry ny raharaha ny tenany. Mby aiza anefa ny tohiny amin’izao fotoana ? Sa dia hoboriboriana fotsiny toy ny mahazatra fa mandeha ny fanadihadiana ? Ny mpitandro ny filaminana ve no tsy nanao ny asany sa ity minisitra ity mihitsy no nisafidy ny tsy hanohizana  ny rahahara ? Ahiana ho misy resaka tsiambaratelo afenina tsy ho fanta-bahoaka, toy ny fiainana manokan’ny minisitra sy ny fifandraisany amin’ireo olona manodidina azy, toy ny mpiara-miasa na fianakaviana akaiky tamin’ity raharaha ity. Manoloana izany dia mandeha ny resaka fa mety ho olona manodidina azy ihany no tao ambadika, matoa mangina na nampanginina tanteraka ny raharaha ho fitandroana ny tsiambaratelo. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra amin’izany anefa aloha hatreto. Andrasana izay ho valin’ny fanadihadiana ofisialy mikasika ity raharaha ity, mba hivoahan’ny tena marina raha hivoaka. Zary tompon-trano mihono hatrany rahateo ny Malagasy manoloana ny tsy fivoahan’ny marina momba ireo toe-javatra maro ilany fanazavana, toy ny raharaha baomba teny Mahamasina nandritra ny fianianan’ny filoha ny 25 janoary 2014, ny 26 jona 2016 … Tamin’ny andron’ny tetezamita mantsy, toa haingana ery ny fanadihadiana momba ny baomba ary nisy hatrany ny olona nosambotsamborina sy nogadraina mihitsy. Ao raha !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT