Goragora eny anivon’ny Fonja

Nanao fampitandremana ny Minisitry ny fitsarana


  • Talata 26 Desambra 2023

Nisy ny fivoriana mivantana sy nampitain-davitra (visioconférence) niarahan-dRamatoa Ministry ny Fitsarana

tamin’ireo tompon’Andraikitra voalohany amin’ny Fandriampahalemana eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny tenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, fa tsy ekena ny goragora sy ny tandrevaka eny anivon’ny Fonja manerana ny nosy amin’izao tao anatin’ny ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao, hoy ny tatitra tao anatin’izany. Nambara fa hisy ny paikady manokana hiatrehana an’izany ho an’ireo fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja, sy ireo Lehiben’ny Fonja rehetra. Notsindriany sy nohamafisiny fa hisy ny fepetra ho raisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny toromarika. Vonona ny tompon’andraikitra rehetra hanatanteraka ny toromarika ,ary nanome toky ny hampandry fahalemana ny eny anivon’ny Fonja manerana ny Nosy, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisitry ny Fitsarana. Matoa tonga amin’izao dia midika izany fa mety misy ny ambana na tsy fahatokisana amin’ny fandriampahalemana eny anivon’ny fonja, ka mahatonga ny Minisitera nanao an’io karazana toromarika sy fampitandremana io.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT