Gony lehibe miisa 4

Nahitana entana ahiana ho halatra


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Hitan’ny zandary tany Antsofonondry, Sabotsy Namehana,

ny gisa miisa 9, bisikileta miisa 2 ary gony feno kapa sy kiraro, ny marainan’ny sabotsy teo tamin’ny 2 ora, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny borigadin’i Sabotsy Namehana ihany. Ahiana ho entana halatra ireo satria nafenina tao anaty gony lehibe miisa 4, hoy ny fanazavana. Raha toa ka ianao no niharan'izany halatra izany dia manàtona avy hatrany ny biraon'ny zandary eny amin'ny Borigadin’ny Sabotsy Namehana, hoy hatrany izy ireo. Andrasana moa, araka izany, ny vokatry ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity. Manakatoka rahateo ny andro fety. Entana nokasaina amidy ve sa tena nangalarina tokoa izy ireto? Izay izany no fanontaniana mipetraka hatreto. Heverina fa ho fantatra tsy ho ela kosa ny tena marina amin’ity resaka hala-boty ao Sabotsy Namehana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT