Fandriampahalemana

Gerard Noel Ramamimampionona “Loharanon`ny tsy fandriampahalemana ny olona”


  • Talata 02 Oktobra 2018

Tsy misy izay tsy mitaraina manoloana ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara amin`izao fotoana. Rafitra maro no manana andraikitra amin`izany fa anisan`ny tena olana dia ny olona, hoy i Gerard Noel Ramamimampionona, filoha lefitry ny komitin`ny Fampihavanam-pirenena (CFM),

 

 

  avy amin`ny faritany Antananarivo. Loharanon`ny tsy fandriampahalemana ny olona ka any no mikorontana voalohany vokatry ny fahantrana, ny ady, fisaraham-bady… ka miteraka tsy fandriampahalemana eo amin`ny olona anankiray. Mila jerena ny fanabeazana, toekarena, indrindra ny asa. Mamokatra ve ny olona ? Miasa tsara ve ny olona ? Voky tsara ve ny olona ?  Notsipihiny fa tsy mialona ny olona rehefa misy soatoavina ary  rehefa tafapetraka tsara avokoa izany dia manam-panahy ny rehetra.  Nilaza izy fa raha hampanjaka ny marina sy fahamarinana, ny madio sy hiady amin`ny halatra sy ny kolikoly amin`ny tsy fandriampahalemana, iadiana mafy ny fanaovana ny tsy fandriampahalemana ho fitaovana ara-politika, hanakorontanana, tsy hisian`ny fitoniana sy filaminana mba hahafahany hiasa tsara. Ny fampiharana ny lalàna, ny sazy… miteraka tsy fandriampahalemana vaovao raha ny zava-misy amin`izao. Miteraka kolikoly, manao valifaty… ny sasany. Ny fampiasana ny lalàna dia tokony ho marina ny rehetra mampiasa azy. Ohatra, ny mpitandro ny filaminana koa dia mila manaraka ny sata mifehy azy. Mialoha ny handaminana ny rafitra sy andraikitra ao anatin`ny rafitra dia ny olona mihitsy no beazina, hoy Gerard Ramamimampionona. Ny olona amin`izao ihany koa dia tsy mahatoky fitsarana ka mila fahamatorana sy fahasahiana raha tiana ny hamerina ny hasin`ny fitsarana. Ny tompon’andraikitra mihitsy no mila manana  fahasahiana managadra mpitsara… Mila mametraka lamina ahafahana mitory mpitsara na olona ambony. Raha ny lehibe no manao ny ataony, ho sarotra ny hanadio ny olona ao ambany. Mila sahy mijoro daholo sy mandray ny andraikiny, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT