Fandriampahalemana

Garazy 67 ha Atsimo Tratran’ny Service Anti-Gang ilay mpanendaka


  • Alarobia 18 Mey 2022

Nitangorona tampoka ny olona teny amin’ilay “4 chemins” akaikin’ny Garazy 67 ha Atsimo omaly, anton’izany ny zava-nitranga tsy lavitra teo .

Tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service Anti-Gang (SAG) etsy Anosy teny amin’iny ny tovolahy iray vao 19 taona omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina rehefa nanendaka. Tena rain-dahiny ary hikoizana eny amin’iny faritra Cenam/67ha iny ity tovolahy ity raha araka ny fantatra. Manao ny asa ratsiny hatrany ny tenany na andro na alina ka maro no efa niharan’izany. Nihetsika avy hatrany ny Polisy miasa ao amin’ny SAG Anosy tamin’ny fanaraha-maso ny teny an-toerana ka nifanehatra tamin’ireo mpitandro ny filaminana ity farany teo am-panatanterahana ny asa ratsiny raha saika hanendaka mpandeha an-tongotra, satria maro ny olona mitanjozotra amin’iny lalana iny maraina mandra-paharivan’ny andro. Raikitra ny fifanenjehina ka tratra tsy lavitra teo ny tovolahy. Ity lehilahy voasambotra ity moa dia efa in-droa nigadra teny Antanimora izay vokatry ny resaka fanendahana sy sinto-mahery avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT