GARA TSARAMANDROSO-HALATRA MOTO

Mpirahalahy iraitampo no tompon’antoka


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Lehilahy miisa roa 27 taona sy 21 taona no voasambotry ny polisy tao Port-bergé ny

alin'ny Alatsinainy 30 Septambra teo rehefa nangalatra moto tao gara tsaramandroso. Ny marainan’ny Alatsinainy 30 Septambra raha tsiahivina dia naharay fitarainana ny Polisim-pirenena miasa any an - toerana mikasika fahaverezana moto nitranga tao Amboangisoa Port-bérgé . Nisy avy hatrany ny fanaraha-maso notanterahana ka taorian’ny fikarohana natao dia hita ny alin'io tao amin'ny gara Tsaramandroso izay trano fonenan'iray tamin'ireo mpangalatra ihany ny moto marika KINLON 200 iray izay very. Ity farany indray no nahafahana nisambotra ny rahalahiny izay nanatontosa sy niara- nangalatra taminy ny maraina. Hiakatra fitsarana anio Alakamisy izy roalahy ireto.
Pati
Legende : Halatra moto iray no hanimban’izy roalahy ireto ny ho aviny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT