Namoaka fanambarana tao amin’ny pejin-tseraserany Facebook ny mpanao gazetin’ny TV5 Monde Gaelle Borgia
omaly, ka nilaza fa misy nandrahona azy ho faty tao amin’ny tambajotra Linkedln. Izy io izay nilaza fa afaka ny mifindra any Eoropa i Gaelle Borgia, ary izay no hevitra mety indrindra. Olona iray mitondra ny anarana mitondra ny anarana Philippe Rajaonarivelo, nitonona ho "chef de service" ao amin'ny minisiteran'ny fitantanam-bola no milaza fa mety ho tratran’ny fanapoizinana ihany koana mety ho tratry ny lozam-pifamoivoizana na famonoana ity mpanao gazety miasa amina fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, raha mbola misisika hanao ny fanadihadiana ihany. « Tsy hilefitra aho. Tsy hangina aho. Tsy hanaiky velively ny fanararaotana sy fandrahonana tahaka izao. Fotoana izao hanandratana ny feo sy hanasongadinana ny fahalemen'ny olona manararaotra ny sehatra ampahibemaso hanaovana herisetra ara-tsaina. », hoy i Gaelle Borgia. Betsaka tato ho ato ny tsindry natao ity mpanao gazety ity sy mpanao gazety sasany na avy amin’ny haino aman-jery vahiny na ny eto an-toerana. Izy izay voalaza fa efa nangatahan’ny Minisiteran’ny serasera tany amin’ny TV5 Monde Foibe, ny amin'ny hanoloana azy avy hatrany, noho ny vaovao navoakany momba ny raharaha Ambohimalaza, izay voalaza fa manitsaka ny voalazan’ny andininy faha 30 amin’ny lalàna mifehy ny Fifandraisana sy ny serasera sy nolazaina fa manohintohina ny filaminana anatiny, izay nomelohan’ny RSF (Reporters Sans Frontières). Tsy vao sambany no nananan’ny Fanjakana sy ny fitondrana lonilony, fa efa hatrany amin’ny raharaha fanadihadiana momba ny fisiana mponina mihinana hoditra fanamboarana kapa tany atsimo ny taona 2021,… Tsy azo lavina aloha izany fa nananan’ny Fitondrana lonilony, ary betsaka ireo olona ambony nanenjika azy na nitsangana ho fahavalony…
NIALA TSINY I PHILIPPE RAJAONARIVELO
Andaniny, manoloana ny filazana fa mpiasan’ny Minisiteran’ny fitatanam-bola, dia namoaka fanambarana io Minisitera io, fa rehefa natao ny fanamarinana dia tsy mpiasa velively eo anivon’io Minisitera io Atoa Philippe Rajaonarivelo, ka tsy tompon’andraikitra amin’ny teny na fihetsika mety havoakany ity minisitera ity. Taorian’ny resabe, ,nitondra setriny Atoa Philippe Rajaonarivelo. « Tiako ampahafantarina am-pahatsorana ny alaheloko manoloana ny fomba nandikana ny teniko mikasika an’i Gaelle Borgia, mpanao gazety. Averiko am-pahatsorana sy amim-pahendrena: tsy nisy velively ny fikasako hanambara fandrahonana na fanambaniana ho azy. Mifanohitra amin’izany aza, manaja ny asany aho, ary manohana ny firotsahany amin’ny asa fanaovan-gazety. Ny teniko, izay natao tamin’ny fomba vazivazy kely, dia indrisy fa voadika amin’ny fomba hafa, indrindra amin’ny toe-javatra saro-pady izay iatrehany fanaratsiana sy fanafihana avy amin’ny lafiny maro. Noho izany, manao fialan-tsiny feno fahatsorana sy fitiavana aho. », hoy izy. Malahelo ihany koa aho fa voatonona amin’ity raharaha ity ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Niasa tao amin’io departemanta io aho tamin’ny taona 2003 hatramin’ny 2004, amin’ny maha lehiben’ny sampana tao amin’ny Imprimerie Nationale. Na izany aza, satria tsy nohavaozina ny mombamomba ahy ao amin’ny LinkedIn, dia mety niteraka fifandisoana izany. Manantena aho fa hanampy amin’ny fanesorana ny fifandisoana rehetra ireo fanazavana ireo, ary hampahatsiahy ny lanjan’ny fanajana sy andraikitra izay entin’ity fanamarihana ity, hoy Atoa Philippe Rajaonarivelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.