Fandriampahalemana

Gadra nitsoaka Voatifitra i Ra Pika


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Mpanao fanafihana sy mpaka an-keriny nikoizana teto an-dRenivohitra i Ra Pika, raha ny tatitry ny polisim-pirenena.

Efa maro ny olona nampitondrainy takaitra ary efa malaza amin'ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny eto an-drenivohitra i Ra Pika ka nidoboka tany Tsiafahy. Tafatsoaka indray izy rehefa iny noentina natao fanadihadiana teny amin'ny fitsarana Anosy iny. Vao naheno izany ny Polisy dia nanao ny fikarohana ity olon-dratsy ity ary andro vitsy taorian'io dia fantatra fa any Ambohidratrimo no misy azy. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka nandositra avy hatrany ity olon- dratsy na dia nisy aza ny fampitandremana natao taminy. Voatery nitifitra ny tongony ny Polisy vao nijanona ity lehilahy ity. Nosamborina ity farany ary rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy dia natolotra ny tompon'andraikitra misahana ny raharaha, araka ny tatitra nataon'ny polisim-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT