Fandriampahalemana

Gadra nitsoaka Ombay mitady i Razafindratovo Mamy Berthin


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Namoaka filazana fikarohana ny zandarimaria ao Ankazobe ny sabotsy teo fa nitsoaka tao amin’ny fonja niazonana azy ao Ankazobe ny gadra antsoina hoe Razafindratovo Mamy Berthin.

Mpandraharaha ara-toekarena ny lehilahy. 42 taona ary mirefy 1,59 metatra. Teny Ambohibao no fantatra fa nonenany farany nialohan’ny namonjana azy. Ahitana tombokavatsana voromahery ny sandriny havia ka izay manam-baovao momba azy na mahita azy dia antsoina mba hanatona ny biraon’ny polisim-pirenena akaiky azy na koa biraona zandarimariam-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Azo atao koa ny miantso ny laharam-pinday 0340557281 raha mila fanazavana fanampiny. Isan’ny mampametra-panontaniana moa ny hoe miisa 3 izay ny fonja nahitana gadra nitsoaka tato ho ato? Inona no tsy mazava ao amin’ny fonja ao ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT