Fandriampahalemana

Gadra nanafika tao Ambohiborona Lehiben’ny fonja roa nesorina tamin’ny asany


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Mivoatra ny toe-draharaha taorian’ilay fanafihana mitam-basy niharo doro trano ka

 

 

 

nahafatesana olona miisa sivy mianaka tao Ankidaondrano Kaominina Ambohiborona, Distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra ny alin’ny 18 desambra 2020. Voalaza tamin’izany fa gadra tokony mamita sazy any am-ponja Antsirabe ny roa tamin’ireo nahavanona ity heloka bevava ity. Sady tsy tao amin’ny fonjan’Antsirabe no tsy tany amin’ny fonja fanarenana “camp pénal” Mahandraza, voalaza fa nandefasana azy, ihany koa ireo ahiahiana ho isan’ireo nahavanon-doza, tamin’ny fotoana nanaovan’ny Zandary fitsirihana fanamarinana. Nifatratra any amin’ny fandraharahana ny fonja ny rihitra. Ny talata 22 desambra 2020 dia nilaza fa efa nandray fanapahan-kevitra ny Tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary ka nampiato avy hatrany tamin’ny asany ny lehiben’ny fonja Antsirabe sy ny lehiben’ny “camp pénal” Mahandraza. Nambarany fa nanokatra fanadihadiana ara-pitantanana ihany koa ny fandraharahana ny fonja hamantarana ny lesoka fototr’izao goragora izao sy izay tompon’antoka amin’izany.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT