Fandriampahalemana

Gadra 5 nandositra teny Tsiafahy Iray no voasambotra hatreto


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Maro ireo lafin-javatra mahakasika ny fitsarana eto amintsika mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny amin’izay ho tohiny toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ny endrika tsy fifankahazoana teo amin’ny fitsarana sy ny zandarimariam-pirenena,

toy ny tany Toamasina, ny resaka gadra nandositra, ny fahateren’ny fonja sy ny vahaolana manoloana izany. Nisy ny fakam-baovao tamin’ny talen’ny seraseran’ny minisiteran’ny fitsarana Napou Jérémie. Nambarany fa ny raharaha Claudine Razaimamonjy, dia dosie goavana ka mila jerena tsara tsy ao anaty fahataitairana sy firotorotoana. Efa eny am-pelatanan’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha. Tokony hanao ny asany ny tsirairay fa tsy mifampitsabaka andraikitra, hoy izy manoloana ny endrika fifandirana eo amin’ny zandary sy mpitsara. Tsy mbola nisy mpitsara na iray aza nitsabaka tamin’ny asan’ny zandary, hoy izy. Nomarihiny kosa fa ao anatin’ny raharahaham-panjakana dia tokony ho iray sy ao anatin’ny fiarahana satria fanjakana iray ihany ka tsy mila mifanilika. Nohazavainy fa ny fampanoavana no lehibe indrindra amin’ny resaka fanenjehana na ilay antsoina hoe “Maître de poursuite”. Manomboka any amin’ny fanadihadiana savaranonando, dia efa afaka mandray an-tanana ny raharaha izy ireo, ary efa misy rahateo ny hoe TTR (Traitement des dossiers en Temps Réel), izany hoe tonga dia mandeha avy hatrany mifanindran-dalana amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana ny fikirakirana ny dosie mikasika raharaha iray. Manana ny fanadihadiany ny mpitandro ny filaminana fa mbola mandinika sy manao fanadihadiana lalina ihany koa ny fitsarana, izay hany tompon’ny teny farany, ka eo matetika no hisian’ny tsy fifankahazoana. Olana goavana eto amintsika ny fahanterana sy fahateren’ny fonja, izay mety ho antony nahafahan’ny gadra nandositra toy ny tany Ambatondrazaka sy ny teny Tsiafahy. Mitohy hatrany ny fikarohana. Ny iray tamin’ireo 5 nitsoaka tao Tsiafahy dia efa tratra teny amin’ny faritra Anjepy. Voafetran’ny hoenti-manana ny fananganana fotodrafitrasa vaovao, raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity. Paikady napetraka kosa ny hoe rehefa manangana tribonaly vaovao dia manangana fonja vaovao. Efa hotokanana ny any Vangaindrano ary efa mandeha ny any Fenoarivo Atsinanana sy Moramanga. Maro kosa ireo paikady ampiasaina amin’ireo gadra, toy ny LC (Liberté Conditionnelle), izay hiarahan’ny Lehiben’ny fonja sy ny komisionina manokana manapaka, ka miankina amin’ny fitondran-tenan’ny gadra iray izany, ary azon’ny gadra atao ny fangatahana azy io. Eo ihany koa ireo fomba efa mahazatra toy ny fisian’ny gadra miasa ivelan’ny fonja, arahi-maso hentitra … Vesatra ho an’ny fanjakana ny fiantohana ireo voafonja, saingy misy hatrany ny ezaka, hoy ny tompon’andraikitra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

Hijery ny tohiny
FTT