Fandriampahalemana

Gadra 23 maty tany Farafangana Ahiana hangina toy ny raharaha Ambovombe


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Tafiakatra 23 ny maty tamin’ilay raharaha fahavakisana fomba tany Farafangana ny alahady 23 aogositra lasa teo.

 

 

45 ireo gadra efa voasambotra ary 20 kosa no mbola karohina. Olona miisa 3 no mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitaly, ka mpandraharahan’ny fonja ny iray. Nisy ny iraka manokana avy amin’ny Minisiteran’ny fitsarana sy avy amin’ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy hijery ifotony mba hampazava ity raharaha ity. Asa izay ho tohin’ity raharaha ity, fa ny tany Ambovombe Androy izay nisiana fahatesana sivily 2 maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny sakoroka tany Ambovombe Androy ny 29 aprily lasa teo. Andrasana izay ho valin’ny fanadihadiana, fa zary lasa raharaha miteraka adihevitra goavana ity zava-niseho tao Farafangana ity. Ny mpiaro ny zon’olombelona rahateo, dia efa naneho fa tsy mifanaraka amin’ny zava-miseho ny fepetra noraisina tamin’ny alalan’ny fitifirana sy fanalana ain’olona. Efa ireny niaraha-naheno ireny ny fanehoan-kevitry ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunelle nilaza fa ohatran’ny mora ilay mamono olona. Nisy gadra efa 4 taona tsy notsaraina kanefa halatra akoho no nanagadrana azy, ary isan’ny maty tao anatin’iny raharaha iny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT