Fandriampahalemana

Gadra 17 mbola tsy hita any Farafangana 2 tapitrisa Ar ny valisoa ho an’izay manam-baovao


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Namoaka filazana sy fampahafantarana ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana mpiahy ny fandraharahana ny fonja, nampian’ny avy amin’ny mpitandro filaminana telo lafy (Zandarimaria,

 

 

 

 polisim-pirenena, tafika) ny sabotsy teo mikasika ny fikarohana ireo gadra mbola tsy hita tafaporitsaka tao amin’ny Fonjan’i Farafangana ny 23 aogositra lasa teo. Valisoa 2 tapitrisa isaky ny voafonja iray no tambiny ho an’ireo manampy ny manam-pahefana amin’ny fikarohana. Tsy maintsy tafaverina ireo voafonja nandositra, hoy ny fanamby. Manana andraikitra goavana amin’ny fanomezam-baovao ny fokonolona amin’ny fikarohana ireo gadra miisa 17 mbola karohana , hoy ny fampitam-baovao. Vola 2 tapitrisa ariary isaky ny gadra iray tratra no homena izay olona manampy amin’ny fikarohana azy ireo. Nanentana ny tsy hisian’ny firaisana tsikombakomba amin’ny fanafenana na fandraisana azy ireo ny Fanjakana, ary naneho fa helohin’ny lalàna ary loza ho an’ny filaminam-bahoaka ny lositra. Ho an’ireo gadra izay mitolo-batana miverina am-ponja na manantona ny tobin’ny mpitandro filaminana dia tsy hihatra aminy fanamelohana na fanenjehana araka ny lalàna, hoy ity fampitam-baovao ity.

 

AIZA NY VALINY SY NY TOHIN’NY FANADIHADIANA

 

23 tamin’ireo gadra 88 nitsoaka no maty notifirin’ireo mpiambina. Niteraka adihevitra goavana izy ity, ary nisy ny fanamelohana samihafa na teto na avy any ivelany teo anatrehan’ny faty olona nirarakopana. Nambara fa hosokafana ny fanadihadiana, saingy tsy re ny tohiny hatreto. Ny fitarazohan’ny fitsarana no isan’ny voalaza fa nampitroatra ireo gadra. Isan’izany ny fanamarihana efa nataon’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, fa nisy tamin’ireo maty voatifitra no halatra akoho no nigadrany ary 4 taona tsy notsaraina.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT