Rehefa atao ny kajikajy dia gadra mihoatry ny 130 no tafatsoaka ny fonjan’Ambatondrazaka (11), Tsiafahy(5), Antanimora(1), Ikongo (120) nanomboka ny faramparan’ny taona 2017 hatramin’izao,
ary mbola miriaria any amin’izay misy azy any avy ny 95% eo ho eo. Tsy mbola nisy angamba ny toy izany hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Toa tsy hita izay tena fandraisan’andraikitra. Mandeha tokoa ve ny fikarohana sa navalon’ny andro sy ny volana ? Niaraha-nahita ny fifanomezan-tsiny teo amin’ny zandary sy ny mpandraharaha ny fonja tamin’ilay raharaha fahavakisan’ny fonjan’i Tsiafahy momba ny resaka fifampitam-baovao. Ny samy tompon’andraikitra toa variana nifamely sy nifanakiana fa ny gadra nandositra nanohy ny lalany ihany. Porofo izao fa misy ny gaboraraka, ka toa vitavita ho azy ny zava-drehetra. Nifandramatra ny zandary tany Toamasina satria ny an-daniny milaza fa olona tokony higadra ny olona tratra ambodiomby, ny an-kilany milaza fa olona noterena hiaiky heloka, ary tsy tokony hifampitsabaka amin’ny asany. Mifandentika ny mpandraharaha ny fonja sy ny fitsarana eo anatrehan’ny fahatafaporitsahan’ny vazaha nogadraina. Lehilahy iray no miteraka fahafaham-baraka ho an’ny firenena manontolo, ary toa tsotsorina fotsiny amin’ny hoe niala teny Tsiafahy, nentina teny Antanimora, avy eo teny amin’ny hopitaly dia any Frantsa no hiafarany. Ny fanjakana ihany no milaza fa misy ambadika politika goavana iny, dia mijanona eo fa tsy misy fanadihadiana lalina. Toa ny mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana indray no terena ho tompon’antoka. Nisy tompon’andraikitra mba miaiky ny tsy fahafehezany ny andraikiny ve ka mahatsapa tena hametra-pialana ? Ny tena mahamenatra ao anatin’ny raharaha dia rafitra mifampiahy sy mifameno ihany izy ireo no mifandetika sy toa efa mifampiandry kendritohana, fa izay fandraiasana andraikitra aloha dia maivana tanteraka. Ny fifanilihana sy ny fifandetehana no tena misy. Manao vazaha mody miady sa tena miady mihitsy ? Vitavita ho azy ny zava-drehetra noho ny gaboraraka. Aiza ho aiza izao ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy ny maro hafa ? Ahoana no ho tohin’ity raharaha mahasaringotra ny minisitry ny fitsarana ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.