Fandriampahalemana

Fotodrafitrasa tsy ara-dalàna Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 29 Aogositra 2017

Hiakatra avo roa heny be izao ny isan’ny mponina eto Antananarivo afaka 15 taona raha tsy mandray fepetra miaraka amin’ny paikady hentitra ny fanjakana,

 

 hoy ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny Fanajariana ny tany Gérard Andriamanohisoa. Hitombo avo 10 heny ihany koa anefa ny olana ara-tsosialy misy amin’izao fotoana izao toy ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny fivangongon’ny fako ary ny tsy fandriampahalemana. Antony iray goavana mampirongatra ny tsy filaminana eto amintsika rahateo ny firoborobon’ny fanorenana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna sy tsizarizary, araka ny fanamarihany. Ezaka arahin-tosika lehibe kirakirain’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany moa ankehitriny ny fametrahana tanana hitondra mankany amin’ny fampandrosoana mirindra. Am-perinasa rahateo ny fanatontosana ny drafi-panajariana faobe an’Antananarivo misandrahaka na ny «projet Grand Tana» ahitana ny minisitera sy ireo kaominina miisa 38 tohanan’ny fitondrana japoney ao anatin’ny 18 volana, hoy ity tompon’andraiki-panjakana ity. Mifanindran-dalana amin’io ihany koa anefa ny drafi-panajariana antsipiriany eny anivon’ireo toerana stratejika samihafa hamoronana faritra famokarana ara-toekarena vaovao. Ohatra amin’izany izao ny fokontany Ankorondrano izay ifandrombonan’ny minisitera mpiahy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT