Fandriampahalemana

Fonjan’i Tsiroanomandidy Gadra 10 tafaporitsaka, 2 voasambotra…


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Gadra 10 lahy no tafaporitsaka tao amin’ny fonjan’i Tsiroanomandidy ny tolakandron’ny sabotsy 16 febroary 2019 tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka fahatelony teo fa ny roa efa voasambotra.

 

 

 Fitsoahana efa tsara omana izy io, raha ny fampitam-baovao vonjimaika avy any an-toerana. Nisy fotoam-bavaka sy toriteny nataon’ny teo anivon’ny fiangonana FJKM tao amin’ity fonja ity. Rehefa nivoaka ireo mpitoriteny no nanararaotra nanao amboletra nivoaka ireo voafonja. Mahatratra 372 moa ny voafonja no tao anatin’ity fonja ity, raha ny fanamarihana. Nanao herisetra tamin’ny fampiasana vato, hazo maranitra … Nampiasaina hatramin’ny rano sy amany miaro sakay. Mpandraharaha ny fonja iray no tratry ny tora-bato teo amin’ny fihirifany, iray voatsatoka hazo maranitra teo amin’ny andilany havanana. Ny iray voalaza fa nosintonin’ireo voafonja tamin’ny filahiany, ary ireo mpandraharaha ny fonja rehetra nifanehitra taminy dia nofafazana amany miharo sakay. Nampanano sarotra ny fisamborana ny fifangaroan’ireo gadra tamin’ireo mpivavaka ka nahatafaporitsaka ireo gadra folo. Tsy lavitra ny fonja anefa dia voasambotra ny roa tamin’izy ireo, ary karohina fatratra kosa ny 8 ambiny. Efa fanao isaky ny sabotsy ny fotoam-bavaka, ka niomana fatratra izany ireo gadra tamin’io sabotsy indray mandeha io tamin’io nametraka ny fomba maty paika hoenti-manamora ny fitsoahana. Hohamafisina ny fonjan’i Tsiroanomandidy, ary efa nampahafantarina ny fisian’ny fitsoahan’ny gadra sy ny fikarohana ireo gadra tafatsoaka ireo ny polisy sy ny zandarimaria, hoy ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja Camara Didier Djibril. Manentana ny vahoaka rehetra mba ho mailo sy hanara-maso ny manodidina ary hampandre ny mpitandro ny filaminana raha misy ny mampiahiahy. Efa manao ny fitadiavana ny mpitandro ny filaminana. Hatreto anefa, dia tsy mbola mahafantatra mazava ny endrika na ny mombamomba ireo gadra tafaporitsaka ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT