Fandriampahalemana

Fonjan’i Tsiafahy Mpanao fanafihana mitampidiana ireo gadra nitsoaka


  • Talata 10 Oktobra 2017

Nandavaka tonelina 5 metatra niainga avy tao amin’ny toerana na “cellule” nitazonana azy no nahafahan'ireo gadra 5 nitsoaka ny fonjan’i Tsiafahy ny sabotsy hifoha alahady 8 oktobra teo,

 

 raha ny fanazavana. Ireto avy ny anaran’izy ireo : Razafintsalama soloniaina, Randriamalala Toky Feno Setra Safidy, Randriamparany David Roland, Rajoelina Christian Tanteraka ary Randrianarimanana na Ratelo. Tafiditra ao anatin'ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireo efatra voalohany. Ny iray dia efa matihanina amin’ny resaka fangadiana tonelina satria efa zatra mihady safira, raha ny fanampim-baovao. Hisy ny fanadihadiana momba ny fitaovana nahafahan’izy ireo nandavaka io tonelina io raha toa ka nisy ny mety ho tsikombakomba. Nanome tsiny ny mpandraharaha ny fonja tamin’ny fampitam-baovao kosa ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny zandarimaria, izay siosion-dresaka no ren’izy ireo, ary nanamarina ny vaovao avy eo, ka efa tany amin’ny tamin’ny 6 ora sy sasany hariva vao nampahafantarina tsotsotra ny zava-nisy. Vao nitranga io zavatra io ny sabotsy alina hifoha alahady dia efa nandray fepetra ny tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, hoy kosa i Napou Jérémie, talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana dia ny fanaovana tatitra. Nasehony ny taratasy mirakitra ny tatitra momba ny fisian’ny gadra nandositra “Avis d’évasion”, izay nambarany fa natao ny alahady 8 oktobra. Natao ihany koa ny didy fikarohana na “Avis de recherche” mankany amin’ny mpiara-miasa isany dia ny zandarimaria, ny polisim-pirenena. Mandainga ve izany ny zandarimaria ? Angamba ny taratasy mety ny tolakandro vao tonga tany amin’izy ireo fa ny antso an-telefaonina kosa araka ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitry ny fonja dia efa nanao antso ho an’ny zandarimariam-pirenena akaiky indrindra, hoy io tompon’andraikitra io. Nilaza moa izy fa olana amin’ny fotodrafitrasa no niteraka izao fahafahan’ny gadra nandositra izao. Adiny telo isan’andro, ohatra, no mirehitra ny jiro. 350 no zakan’ny fonja kanefa 1.000 mahery no tazonina ao ankehitriny. Raha ampiana azy 5 ireo, dia 14 izany izao no gadra miriaria any ivelan’ny fonja taorian’ny tany Ambatondrazaka nisian’ny 11 tafatsoaka, ka ny 2 no voalaza fa efa voasambotra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT