FONJAN’ANTANIMORA

« Tsy misy sarany izany ny famangiana »


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Tsy misy sarany hoy ny tompon’andraikitra ny famangiana ireo voafonja eny amin’ny fonjaben’ Antanimora.

Tsy tokony hanaiky ho voarebirebin’ireny mpijirika ireny ireo manana olona mamita sazy eny an-toerana noho izany. Nampahafantatra sy nanome toromarika ireo olona manana havana voafonja eny an-toerana Razafindraka Heriniaina, tompon’andraikitra eo anivon’ity fonja ity omaly. Nambarany tamin’izany fa misy karazany roa ny famangiana olona eny am-ponja. Voalohany ho an’ireo efa voatsara izay eny amin’ny fonja ihany no maka sy mangataka ny taratasy fahazoan-dalana hahafahana mamangy ny havany ireo fianakaviany. Faharoa kosa ho an’ireo olona mbola tsy voatsara. Eny amin’ny tribonaly Anosy indray no alaina ny taratasy fahazoan-dalana hahafahana mamangy ilay voafonja raha eny amin’ny 67 ha kosa raha teny amin’ny PAC ilay raharaha nahavoasazy ilay olona. Nambarany fa olona miisa 3 no misoratra ao anatin’ilay taratasy fangatahana fahazoan-dalana hamangy. Mitondra dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena sy taratasy fangatahana ilay fianakaviana mandritra izany. Isaky ny Alakamisy sy Alahady ihany moa no famangiana ireo voafonja hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.
Pati
Legende : Afaka mandray ireo olona mila fanazavana ihany koa ny tompon’andraikitra eto amin’ny fonjaben’Antanimora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT