Fandriampahalemana

Fonjan’Antanimora Misy trangan-javatra hafahafa indray…


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Misy kamera miisa 6 ato anaty fonja ary mahatsiaro voahozongozona ny "dignité humaine" na maha olona sy ny «atteinte à la pudeur»

na ahiahim-pihetsika mamoafadin’ireo voafonja satria tsy ny fisian'ny kamera no olana fa 5 ihany kosa no isan'ny «douche» na efitra fandroana ato amin'ny «Quartier femme» Antanimora ho an'ny olona miisa 620 ary tsy maintsy eny an-tokontany no manao «douche» ny ankabeazany, hoy ny hafatry ny voafonja, Raissa Razaivola, izay nampitain’ny zanany omaly.
MAFY NY FIAINANA
Ny fitarainan'ny voafonja dia ilaozan'ny lehiben'ny fonja mijery vehivavy miboridana amin'ny alalan'ny kamera, hoy ny fampitam-baovao. Ny manaraka indray dia resaka «détention arbitraire» na fihazonana tsy ara-drariny amin'ny olona voafonja na «détenue» tokony ho tapaka MD izay tsy alefan'ny lehiben'ny fonja sy ny «greffier comptable» raha tsy mandoa vola 1 tapitrisa Ariary miakatra ary tavela eo ny tsy manana nefa dia iaraha-mahalala fa tena feno ny fonja, eny, fa hatrany ambany «baflà» misy matory ato amin'ny fonjan’ny vehivavy. Mifapitondra tongotra sy mifandimby matory fa tsy misy intsony ny toerana atoriana. Ny adala manary lamba sy mamono miaraka mifatotra amin'ny olona salama na «normal». Ao ihany koa ny olona voan'ny SIDA izay hiantohako ny fanafodiny miaraka amin'ny olona salama, ny olona voan'ny raboka na «tuberculose» izay tsy misy mpiantoka nefa dia voafonja miaraka amin'ny rehetra mifangaro ato. Ny marary mila «évacuation» na fandefasana maika any amin’ny toeram-pitsaboana dia mbola ny tenako ihany no miantoka ny «ambulance» na fiara mpamonjy voina. Ny teraka koa mbola taratasy be vao tafavoaka nefa efa manaikitra ny zaza. Tsy misy resaka sosialy intsony satria tena amin'izao tsy misy fitsinjovana ny voafonja madinika mihitsy. Ny sarany ho an'ny olona lavitra dia nofoanana. Ny «transfert» na famindrana koa dia raha vao tsy manam-bola dia tsy mandeha nefa zon'ny voafonja ny mandeha mifindra fonja manakaiky ny fianakaviany. Ny voafonja lasa milahatra eo ambaravarako mangataka hanina hoanina.
MILA FITSIRIHANA
Noho ireo zava-misy tanisaiko eo ambony ireo dia mangataka ny tenako Razaivola Raissa ny hanomezana vahaolana maika ho an’ny voafonja mba hisian'ny filaminana ato amin'ny fonja. Mangataka ihany koa ny hidinan'ny tomponandraikitra voalohany hijery ny fijalian'ny voafonja sy ny zo maha olombelona ary farany, miangavy ny Bianco hidina sy hanadihady ireo voafonja ato aminay fa efa tsy rariny tompoko ny zava-misy ety Antanimora, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT