Fandriampahalemana

Fonjan’Antanimora 3.356 ny voafonja ao, tsy voatsara ny 60 %


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Tsy ampy ny fotodrafitrasa, mitombo isa hatrany ireo tsy voatsara. Ireo amin’ny ankapobeny no olana sedrain’ireo voafonja tazonina etsy Antanimora.

Raha voafonja 800 isa mantsy no tokony horaisina ao an-toerana dia efa tafakatra 3.356  izy ireo ankehitriny ka ny 2.673 amin’ireo dia lehilahy avokoa. Ho an’ireo zazalahy kely tsy ampy taona dia 24 mirahalahy amin’ireo 125 no voatsara, antony nanosika ny solontenan’izy ireo hangataka tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana ny amin’ny hijerena akaiky izany omaly. Nandritra ny fitokanana ilay Chapelle iray vaovao natsangana ao Antanimora no nanararaotan’izy ireo nanaovana izany fangatahana izany omaly. Chapelle izay tafiditra ao amin’ny faritra misy ireo zazalahy tsy ampy taona nefa azon’ireo voafonja rehetra hampiasaina ihany koa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Mahasoa, ny Bethleem ary ny fonja izy ity, hoy Rakotonandrianina Olivier, lehiben’ny fonjan’Antanimora izay nifanindry tamin’ny fankalazana ny fahafolo taona niasan’ny Aumônerie Protestanta tao amin’ny fonja ihany koa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT