Fandriampahalemana

Fonjan’Ambalatavoahangy Gadra miisa roa tafatsoaka


  • Talata 06 Aogositra 2024

Ofisialy sy voamarina ny fisiana gadra miisa roa tafavoaka tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy

ny zoma lasa teo. Voafonja 2 lahy antsoina hoe : Ranary Eddy Brada sy Totozandry Francisco Erneste no nandositra tamin'ny moto. Mpiandry fonja iray tsy niasa no nampanamboatra moto azy 2 lahy tamin'io andro io. Rehefa nisakafo atoandro ireo mpiandry fonja, tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro tamin’io andro io, dia nandraman'izy 2 lahy teo an-tokontanin'ny fonja ilay moto vao avy namboariny. Mpiandry fonja iray avy eo, no voalaza fa nanokatra an-kiafina ny vavahady lehibe, amin'ny tamboho atsinanana. Tamin'io no nivoaka tamin'ny moto moramora ireto voafonja ireto. Ny moto no narian-dry zalahy ka efa hita, fa izy ireo mbola ifampitadiavana amin’izao fotoana izao. Voalaza moa fa nananan’ny mpiandry fonja fitokisana izy ireto, ary efa mpanambotra ny moto an’ireo mpiandry fonja izay simba noho ny fahaiza-manaon’izy ireo. Voafonja efa voatsara izy ireo, ka fanafihana mitam-piadiana sy halatra moto no nampigadra azy ireo. Ny 17 jolay 2023 izy roalahy no naiditra tao Ambalatavoahangy, ary izao tafaporitsaka izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT