FONJAN'I MAROFOTO MAHAJANGA

Sarona ny Jamala 2 sachets natao tao anaty sakafo


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Jamala natao anaty sachet plastika miloko mainty miisa 2 sy tao anaty

sakafo no tratran’ny mpandraharahan'ny fonja omaly Alahady 07 Jolay tokony tamin'ny 3 ora tolakandro. Vehivavy iray fianakaviana voafonja hanatitra sakafo no nanao izany ka nosamborina avy hatrany izy. Hentitra ny lehiben'ny fonja raha nilaza fa tsy misy fika intsony ho an'ireo izay zatra ny lalan-dririnina amin'ny fampidirana Jamala ao amin'ny fonja satria hentitra ny fanaraha-maso atao. Marihina fa vadiny voafonja moa io vehivavy tratra nampiditra Jamala io izay niaraka amin'ny zazakely vao 4 volana. Natolotra teo anivon'ny mpitandro filaminana avy hatrany moa izy omaly hariva. Tsiahivina fa vao herinandro vitsy lasa izay no efa nisy vehivavy iray mpanatitra sakafon’ny voafonja ihany koa efa tratra nitondra Jamala tao anaty sakafo tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ireo jamala tao anaty harona sachet plastika sy tao anaty sakafo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT