Fandriampahalemana

Fonjaben’i Toliara Mbola ao daholo ireo voafonja na dia nirodana aza ny tamboho


  • Talata 07 Martsa 2023

Tsy nisy nafindra ireo voafonja tazonina ao amin’ny fonjaben’i Toliara taorian’ny nianjeran’ny tamboho tao an-toerana afak’omaly Alahady hariva.

Tazonina ao amin’ny toerana tokony hametrahana azy ihany izy ireo raha araka ny fanazavan-dRandriamanantenasoa Landy, Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana tamin’ny mpanao gazety omaly. Efa misy raha araka ny fanazavany ireo mpiara-miombon’antoka mifanome tanana amin’ny ministera manamboatra izany tamboho izany. Efa diso antitra loatra mantsy ireo foto-drafitrasa ao amin’ity fonja ity ka anisan’ireny ilay tamboho nianjera. Nandray ny ambasadaoro Soisa miasa sy monina eto amintsika ity ministra ity omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tamin’izany ka anisan’ireny ny fanomezana fiofanana ny mpitsara izay efa manomboka, ny fanatsarana ny zon’ny ankizy, ary koa ny famaliana ny hetahetan’ireo voafonja. Tsiahivina moa fa 40 metatra no refin’io tamboho miaro ny fonjan’i Toliara nianjera io raha mbola misy 30 metatra ireo ahiana hirodana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ambenana mafy ny fonjaben’i Toliara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT