FONJABEN’ANTANIMORA

Mitohy ny fanofanana arak’asa ireo voafonja


  • Alakamisy 22 Mey 2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

ny fotoam-pikatrohana amin’ny fampiofanana arak’asa ho an’ireo olona beazina ao anatin’ity toerana fanarenana ity, afak’omaly Talata 20 May. Hisy ny fanolorana fanamarinana mari-pahaizana ho an’ireo izay mahavita ny fampiofanana ka anisan’ireny ny fianarana teny vahiny. Miisa 48 ireo fikambanana manao asa soa sy ONG miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany izay nampahafantarina ampahibemaso tamin’io andro io ihany koa.Tanjona ny hanomanana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina sy hitsinjovana ny mahaolona ireo voafonja ka afaka indray hiatrika ny fiainany aorian’ny fivoahana mba tsy ho vesatry ny fiaraha-monina.Nisy fotoam-pivavahana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny ray aman-dreny ara-panahy nentina hitondrana am-bavaka ireo voafonja sy ny fijerena ny ho avin’izy ireo.
Pati
Legende : Ireo mpahazo tombontsoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT