FONJABEN'ANTANIMORA

Omena fiofanana arak'asa ny vehivavy


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Omena fiofanana arak’asa ireo voafonja etsy amin’ny fonjaben’Antanimora

mba hahavelon-tena sy tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina rehefa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina. Notoloran'ny Mpitahiry Fitombokaseam-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana fitaovana ho entina mianatra asan-tanana ireo voafonja vehivavy ao amin'ny Fonjaben'Antanimora omaly Talata 20 Febroary. Fitaovana fanaovam-bolo toy ny brushings,brosses,produits... no natolony tamin’izany niampy lafaoro ary masinina fanjairana. Ao anatin'ny vaindohan-draharahan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny fanomanana ny fiverenan'ny voafonja ho tonga olom-banona eo anivon’ny fiaraha-monina. Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Ministra fa tsy fanafaizana fotsiny ihany ny fonja fa natao indrindra ihany koa hampianatra sy hanarina ireo voafonja mba tsy ho vesatra eo anivon'ny fiaraha-monina (réinsertion sociale). Rehefa tapitra moa ny fiofanana dia hahazo mari-pahaizana na "Attestation de réussite" izay rehetra mahavita ny fiofanana.
Pati
Legende : Hofanina tahaka izao ireo voafonja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT