Fandriampahalemana

Fonja vaky tao Farafangana Voafonja 22 no mbola karohina


  • Talata 25 Aogositra 2020

Mitohy ny fikarohana ireo voafonja nitsoaka tao amin’ny fonjaben’i Farafangana ny atoandron’ny alahady 23 aogositra 2020.

 

 

 88 ireo nanao amboletra itsoaka, nandratra mpandraharaha ny fonja iray sy naka basy iray teny amin’ny mpiambina. 22 no mbola karohina hatramin’ny omaly hariva nandraisana ny vaovao. Nitifitra ny mpitandro filaminana satria nisy basy iray nangalarin'ny voafonja ary nitora-bato ireto farany. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo valo naratra mafy tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Farafangana. Tafakatra 21 ireo voafonja namoy ny ainy, voatifitra. Azo sambo-belona ny ambiny. Tombanana ho ny fampiatoana ny famangiana ireo voafonja noho ny hamehana ara-pahasalamana hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus, no nahatongana ity fitsoahana faobe tao am-ponja ity. Mikasika ity vaky fonja tao Farafangana ity dia geno fa hidina any an-toerana ny minisity ny Fitsarana amin’ity anio ity.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT