Fandriampahalemana

Fonja vaky tany Fenoarivo atsinanana Gadra iray no mbola ifampitadiavana


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Nahitana fonja vaky matetika teto amintsika tato anatin’ny volana vitsy izao. Vaky afak’omaly Sabotsy 20 Aogositra indray ny fonjabe ao Fenoarivo Atsinanana.

Raha araka ny vaovao azo dia tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro no nisehoan’izany. Tafaporitsaka vokatr’izany ny gadra roa raha araka ny vaovao azo. Ny iray tamin’ireo dia mbola tsy voatsara raha efa mamita ny saziny 7 taona an-tranomaizina sazy mihatra kosa ilay iray hoy hatrany ny vaovao azo. Na izany aza efa tratra tao Ampasipotsy Anjoba omaly ilay voafonja iray mbola tsy voatsara. Mbola karohina kosa ilay iray efa mamita ny saziny 7 taona. Tsiahivina moa fa vao mainka mampitombo ny sazin’ny voafonja iray ny fitsoahana tahaka izao. Raha araka ny fantatra dia ity no fahavakisana fonja fanindroany niseho tao Fenoarivo Atsinanana. Miantso ny tompon’andraikitra araka izany ireo mponina any an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy indrindra fa ny tsy fandriampahalemana ankehitriny manoloana ireo voafonja mitsoaka tahaka itony izay tena atahorana tokoa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT