Fandriampahalemana

Fonja vaky sy gadra mitsoaka Hanomanana asa fanakorontanana ?


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Sesilany ny fahavakisan’ny fonja sy ny fitsoahan’ny gadra teto Madagasikara nanomboka ny faramparan’ny taona 2017.

Nanomboka tany Ambatondrazaka ny 23 septambra 2017, ka nahatafopritsahan’ny gadra miisa 11, izay ny iray ihany no re fa efa voasambotra. Nitohy ny tamin’ny fitsoahan’ny gadra miisa 5 tao Tsiafahy ny 7 okotbra 2017. Vaky noho ny resaka fitakiana fitsaram-bahoaka ihany koa ny fonjan’Ikongo ny 14 desambra, ka manodidina ny 120 no tafatsoaka ary zara raha nisy 13 nitolo-batana. Gadra 3 indray ihany koa no tafaporitsaka tao Antanimora ny alin’ny 10 febroary teo, ary ny iray no efa tratra. Tsy mahataitra firy ny fitondram-panjakana foibe ireny toe-javatra ireny, ary toa vitavita ho azy. Sao mba efa tetika voaomana matoa tsy taitra firy ny fanjakana ? Hanomanana korontana sy gidragidra eto amin’ny firenena ve ? Olon-doza sy efa tsy manana fanantenana amin’ny fiainana intsony mantsy ny ankamaroan’ireny gadra voalaza fa nitsoaka ireny. Azo trandrahina tsara hatao fitaovana hamita iraka dia ny asa fanakorontanana eto amin’ny firenena, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Iza moa no mahita raha hiniana hatao mihitsy ireny mba tsy hampifantoka ny sain’ny rehetra any amin’ny toe-javatra mampalaza ratsy sy manamaimbo ny mpitondra ?


Mitohy ny fikarohana, saingy olana ny tsy fisian’ny sary, raha ny tany Ikongo, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena Komandà Herilalatiana Andrianarisaona tamin’ny fakam-baovao taminy. Miasa ny ekipa, ary atao tandrify amin’ny asa isan’andro, toy ny barazy ataon’ny zandary ny fikarohana. Mipetraka any amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny sarin’ireo olon-dratsy, ary misy hatrany ny fifanomezam-baovaony sy ny manampahefana any ifotony, indrindra amin’ny toerana niavian’ilay gadra tafatsoaka, raha ny fanazavany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT