FONENANA IMERINTSIATOSIKA

Lehilahy iray nisy namono ?


  • Talata 21 Novambra 2023

Lehilahy iray efa Raim-pianakaviana, antsoina hoe : Julien, manodidina ny 50 taona eo ho eo no fantatra fa nisy

namono tampoka teny amin'ny hazo bevohoka Fonenana Imerintsiatosika afak’omaly Alahady hariva tokony ho tamin'ny 6 ora sy 30 minitra raha handeha hamonjy fodiana. Izy efa nihosin-drà nitsirara niaraka tamin'ny bisikileta nentiny niankohoka teo amin’ny tany no hitan'ny mpandalo. Efa nivontovontobe toy ny nokapohina tamin’ny hazo vaventy ihany koa ny endriny iray manontolo nandritra izany. Raha araka ny fantatra dia hiakatra ny Fokontany ao Fonenana hiazo an'Imerintsiatosika izy izao tra-doza izao ka nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Avy hatrany dia nentina namonjy hopitaly moa ity Raim-pianakaviana ity ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Andrasana araka izany izay fotoana hahafahany miresaka hahalalana marina izay tena zava-nanjo azy. Tsiahivina moa fa na dia efa be olona mipetraka aza ao Fonenana, dia mbola mangina tanteraka ny lalana miditra ao an-tanana ka tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra.
Pati
Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana lasibatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT