Foloalindahy Malagasy

Voatendry ny CEMA sy ny COMGN


  • Zoma 01 Martsa 2024

Voatendry nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny alin’ny alarobia 28 febroary 2023 lasa teo ireo

Tompon’andraikitra ambony mirahalahy, hitana ny fibaikoana ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena. Voatendry ho Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika na Chef d'Etat-Major des Armées (CEMA) ny Général de Division DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, ary ho Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena (COMGN) ny Général de Division Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert, araka io Didim-panjakana noraisina nandritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 28 febroary 2024 io. Tsara ny manamarika, fa banga tao anatin’ny fotoana naharitra ireo toerana ireo taorian’ny nanendrena ireo teo aloha ho mpikamban’ny governemanta ny 14 janoary 2024, izany hoe : iray volana sy tapany aty aoriana vao tafapetraka ny solony. Henjana ny adidy miandry ireo tompon’andraikitra ireo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ka ny irariana dia ny hisian’ny vokatra ao anatin’izany satria tena mandry an-driran’antsy ny Malagasy na ho an’ny tontolo ambanivohitra na an-drenivohitra. Zary lasa fanamarihana sy tsikera mandeha foana rahateo ny hoe : tsy arakaraky ny maha betsaka ny jeneraly ny fihenan’ny tsy fandriampahalemana fa vao mainka mitombo ka mahatonga ny olom-pirenena hilaza fa ny mpanao politika sy ny sezany no tsara aro fa ny valala tsy mandady harona miaina rehefa tsy matin’ny fahantrana, dia matin’ny tsy fandriampahalemana.
Toky R
Sary indrana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT