FOKONTANY ANKAZOTOHO

ANOSIZATO ANDREFANA


  • Alarobia 10 Jona 2026

Fialokalofan'ny jiolahy, hahazoana fitarainan-dava

Anisan'ny Fokontany iray tena mampitaraina olona fatratra ny Fokontany Ankazotoho, kaominina Anosizato Andrefana, Distrikan'Atsimondrano. Saika handrenesana fitarainana hatrany mantsy ao an-toerana raha ny loharanom-baovao azo toy ny vaky trano, ny hala-botry raha tsy lazaina intsony ireo mpifoka zava-mahadomelina sy mpanakorontana fiaraha-monina amin'ny alina. Ho voavaha tanteraka anefa izany olan'ny mponina izany manomboka izao. Napetraka omaly Talata 09 Jona mantsy ny vato fototra hananganana ny paositry ny Polisy ao an-toerana mba hametrahana fahandram-pahalemana maharitra. Nankasitraka feno ny fitondram-panjakana tarihin'ny kolonely Randrianirina Michael , ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ary ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena Analamanga ny mponina ao Ankazotoho Anosizato Andrefana vokatr'izany. Anisan'ny hetahetam-bahoaka eny ifotont rahateo ny fijoroan'io foto-drafitrasa io.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fametrahana ny vato fototra omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT