Fandriampahalemana

Fokontanin’i Tsiadana Vahiny ireo nanafika ny tanàna, hoy ny sefom-pokontany


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Manao sesilany ny fanafihan-jiolahy eto Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny fokontany Tsiadana manokana ao anatin’ny Boriborintany faharoa

 

 izay vao lasibatry ny asan-jiolahy afaka omaly alatsinainy hariva dia hatao peta-drindrina isaky ny faritra manomboka izao ny laharam-pinday hiantsoana ny sefom-pokontany sy ny mpitandro ny filaminana, raha araka ny fanazavan’Atoa Solohery Ravelomanantsoa sefom-pokontany ao an-toerana. Ny mba hahafahana mandray andraikitra avy hatrany ny tanjona fa tsy hiandry olona maratra sy vola very tahaka ireny vao hihetsika. Nomarihiny manokana moa fa efa nisy ihany ny fanentanana natao tamin’ny mponina saingy adinon’ireto farany rehefa sendra ny tsy ampoizina izy ireo. Olona vahiny ihany koa ireo nanafika tao amin’ny fokontany iadidiany fa tsy mponina ao an-toerana. Efa voahefy tsara mantsy ny fandriampahalemana ao amin’izy ireo. Raha tsiahivina, trano fivarotana mpambongady iray no lasibatra  ka maty voatifitra teo amin’ny tratrany ny tompon-trano ary lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola mitentina 4 tapitrisa Ar. Olona  roa no mbola miandry ny fandidiana hanalana ny bala tafiditra ao amin’ny vatany  etsy amin’ny hopitaly HJRA  ankehitriny ka anisan’izay ilay lehilahy voa teo amin’ny sandriny raha efa nalefa nody kosa ilay ankizy vao 12 taona monja lasibatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT