Fandriampahalemana

Fiverenana eo anivon’ny fiarahamonina Voafonja 20.000 notohanan’ny Handicap International


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Tafakatra 20.000 isa manerana ny Nosy ankehitriny. Ny 96 %-n’izy ireo anefa no mbola manana fanantenana feno ny amin’ny hiverenany soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra taorian’ny nanampian’ ny fikambanana Handicap International azy ireo.

  Anisan’ny asa goavana notanterahin’ireto farany tamin’izany  ny fanomezana fiofanana ireo mpandraharahan’ny fonja ho fanajana ny zon’ny voafonja. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy tokony hakàna vola amin’izy ireny, tranga izay mety hiseho eny anivon’ny fonja,  ny ady amin’ny herisetra amin’ny endriny maro samihafa raha eo ihany koa fitsaboana azy ireny raha marary, ny fananganana foto-drafitrasa ara-pahadiovana…Betsaka ireo voafonja nahatsiaro ho maivana vokatr’izany, indrindra taorian’ny asa niantsorohan’ity fikambanana iray ity. Misy amin’izy ireo mantsy no mila tsy hahariva andro isan’andro no sady mahatsiaro irery hatrany ka nomena fialam-boly manokana ihany koa. Nisy omaly ny tatitra nataon’izy ireo mikasika ny asa vitany teo anatrehan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny fonja manerana ny Nosy. Ny Alliance Française de développement moa raha tsiahivina  no namatsy vola ny asa,  izay hifarana amin’ity volana aogositra ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT