Fandriampahalemana

Fivarotana sy fifohana rongony Telolahy indray no nidoboka eny Antanimora


  • Talata 29 Novambra 2022

Lehilahy miisa telo no tratran’ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy teny Talatamaty sy Ambohimangakely ny 25 Novambra teo rehefa nivarotra sy nifoka rongony.

Rongony 119 fonosana sy rarany 20g no tratra tany amin’izy ireo. Noho ireo fitarainana sy firongatry ny olona mirona amin'ny fidorohana zava-mahadomelina dia nanao paikady hitadiavana ireo olona mivarotra rongony eny amin’ny faritra Talatamaty sy Faralaza ny avy ao amin'ity sampan-draharaha ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy nanao ny fanadihadiana sy fikarohana. Lehilahy miisa roa no voasambotra tao an-tranony teo am-pivarotana rongony tokony tamin’ny 01 ora tolakandro teny Talatamaty. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahatratrarana rongony 14 fonosana sy rarany 20g. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Niaiky izy ireo fa sady mivarotra no mifoka rongony. Nilaza ihany koa izy fa ny namany ihany no hivarotany ireo rongony azony. Fantatra fa 18 taona izy ireo dia efa nifoka rongony. Ary efa 1 volana sy tapany no nivarotany rongony. Lehilahy iray ihany koa no voasambotry ny Polisy teny Antanambao Ambohimangakely tamin’io andro io tokony tamin’ny 12 ora atoandro tao an-tranony teo ampivarotana rongony. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahatratrarana rongony 105 fonosana. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa azy ireo rongony hamidiny ireo ka olona mandalo no fividianany izany. Amin’ny sachet plastika no hividianany azy ka lafony 120.000Ar ny sachet iray. Fantatra fa isaky ny roa andro izy no manafatra ireo rongony hamidiny. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa 25 taona ny zandriny indrindra raha 36 taona ny zokiny indrindra. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka nadoboka am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Sady mpilivra no mpandraindray izy telo lahy ireto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT