Fandriampahalemana

Fivarotana rongony Lehilahy iray no tratra teny Ambohimahitsy


  • Zoma 15 Mey 2020

Lehilahy iray 30 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin'ny STUP Anosy ny alarobia 13 mey 2020 teo tao Ambohimahitsy noho ny resaka fivarotana rongony.

 

 

Loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy lehilahy iray mivarotra rongony teny amin'ny Macoline Ambohimahitsy. Nanokatra fanadihadihana avy hatrany ny polisy vao naharay ny vaovao ka fantatra nandritra ny fikarohana ny toerana hipetrahan'ity lehilahy ity. Nisy ny velam-pandrika nataon'ny polisy hisamborana azy ka tra-tehaka tao an-tranony ny alarobia 13 mey 2020 vao maraina tokony ho tamin'ny 07 ora sy sasany, tao Ambohimahitsy ity lehilahy ity miaraka amin'ny fonosana rongony miisa 58 sy rongony mbola tsy voafono milanja 200 grama. Fantatra tamin'ny fanadihadihana natao taminy fa eny Mahazo izy no mividy ireo rongony ireo amin'ny vidiny 2500 Ar ny fonosana lehibe iray ary hamidiny 500 Ar izany rehefa voazara amin'ny fonosana kelikely. Natolotra ny fitsarana omaly ny lehilahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT