Fivarotana fitaovam-piadiana

mahery vaika Voasambotra ny atidohan’ny jiolahy miisa telo


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Lehilahy miisa 03 no fantatra fa nivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy teny amin’iny faritra Ivato iny ny herinandro lasa teo.

Tsikaritry ny Polisy miasa ao amin‘ny "service centrale de la surveillance du territoire“ na ST Anosy fa misy olona manana sy mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika eny an-toerana. Natao ny vela-pandrika sy ny fanaraha-maso, napetraka ny tetikady, naseho azy ilay vola hividianana ny basy ka noraisim-potsiny sy sarona tao amin‘ny trano fonenany ny lehilahy iray 54 taona, niaraka tamin’ny basy SKS TP 90 sy bala miisa 05. Fantatra fa saika hamidy 4500.000Ar ilay basy. Noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany moa ny tenany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana ny namany roa hafa izay mpiara-mivarotra aminy ity fitaovam-piadiana ity. Vosambotra teny Tongarivo Tanjombato sy Anosimasina Itaosy ireto farany ny 06 septambra teo. Fantatra fa isan’ireo mpandray anjara sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ary tafiditra ao anaty fikambanan-jiolahy izay miseho eto an-drenivohitra sy ny manodidina izy ireo. Efa mpameri-keloka,efa nisazy ary nivoaka ny fonja vao haingana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Natolotra ny Sampana miady amin’ny heloka bevava Anosy izy ireo taorian’izany ka rehefa nohenoin’ny fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy be ati-doha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT