FIVAROTAN-DRONGONY TENY MANDROSEZA

Naiditra am-ponja izy telolahy


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Lehilahy miisa telo, 25 taona ny roa raha 22 taona ny iray no nosamborin’ny Polisy teny

Mandroseza rehefa nivarotra rongony, ny 24 Desambra lasa teo. Naharay fitarainana avy amin’ ireo olona mipetraka manodidina an’i Mandroseza manakaiky ny kianja filalaovana basket baolina ny Polisy miasa ao amin'ny STUP na ny sampana miady amin'ny zava-mahadomelina eo anivon'ny Polisim-pirenena fa misy olona tena henjana amin’ny famatsiana rongony ny mponina eny amin’iny faritra iny. Tsy niandry ela izy fa avy hatrany dia nidina nijery ifotony sy nanamarina izany fitarainana izany ireo polisy. Rehefa nojerena ilay toerana dia tratra tao izy telo lahy ary mbola teo am-pifohana rongony mihitsy. Natao ny fisavana ka rongony miisa 15 izay milanja 75 grama eo ho eo no tratra teo amin’izy ireo. Noentina natao famotorana teny amin'ny biraon'ny Polisy ny andron'io ihany izy ireo ary natolotra ny fitsarana omaly Talata 26 Desambra ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy sy ireo rongony tratra tao aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT