Fivadiham-pitokisana

Tratra ilay mpiasa an-trano nangalatra 3.800.000 Ar


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Tany Isaingy, Ampanefy, no nitrangan’izany ny 13 jolay lasa teo. Nentin’ity tovolahy ity nody tany Morarano Ambatolampy ilay volabe. Efa nividianany rendrarendra samihafa toy ny «radio carte», akanjo vaovao, finday vaovao, famataranandro ary borety izany vola izany. 840.000 Ariary sisa no ambiny hitan'ny zandary tany aminy rehefa nosamborina ity tovolahy ity. Nafeniny tanaty tafon-trano io ambim-bola io, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Raha ny fanampim-panazavana dia vidin-kisoa io nangalarin’ingahirainy io ary heverina ho azo lazaina hoe mahatsikaiky sady mahatsiravina ihany ny maheno ilay hoe sahiny nentina nody tany an-tanindrazany mihitsy ilay volabe nangalariny. Tena nihevitra ve izany ity tovolahy ity fa ho afoin’ny tompom-bola tahaka ireny fanaon’ny lasibatrana mpiasa an-trano tamin’ny resaka 100.000 na 150.000 Ariary ireny koa ny volabe tahaka izany? Matetika no ahenoana izany atao hoe mpiasa an-trano mangalatra amin’ny mpampiasa azy izany ary efa ela saingy ity indray mitoraka ity kosa angamba no tonga amin’ilay vazivazy zaritenany mahazatra hoe «Tsy mbola nisy tanaty 60 taona»!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT