Fandriampahalemana

Fitsarana sy ny mpiandry fonja Ho vaky tanteraka ny ady…


  • Talata 06 Febroary 2018

Mivoaka ny resaka fa manam-paniriana hisintaka tanteraka tsy ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny fitsarana intsony ny sampandraharahan’ny fonja.

 

Nihenjan-droa tanteraka ny tady manoloana ny raharaha isan-karazany teto amin’ny firenena tato ho ato, raha tsy hilaza afa tsy ny vaky fonja sy ny raharaha Houcine Arfa. Tamin’ny raharaha nahavotsotra an’ity farany dia ny mpandraharahan’ny fonja no toa niandronan’ny rihitra rehetra satria naiditra am-ponja vonjimaika ireo mpiandry fonja, izay tanam-polo no nentiny tamin’ny fiambenana olona nambara fa olon-doza satria nitazona fitaovam-piadiana mahery vaika, mpikambana amina andian-jiolahy,... Nangataka ny hamoahana azy ireo ny sendikan’ny mpandraharaha ny fonja, saingy tsy nisy nihaino aloha. Vao nanomboka iny raharaha iny, indrindra fa ilay ampamoaka mombana volabe 70 000Euros, dia toa nitady izay hisolo vaika ny akalana ny fanjakana HVM.  Miseholany ny tsy fifankahazoana ary manomboka mizotra any amin’ny fikatsahana handeha irery sy kitranoantrano izao ireo rafitra mifameno ireo. Toa samy te hanao izay saim-patany ihany koa tsy hisian’ny fitsabatsabahana. Tombanana avy hatrany ho fananganana fanjakana kely ao anaty fanjakana be ihany io amin’ny lafiny iray satria raha tanteraka tokoa izany, dia ho sarotra ny fanaraha-maso izay zava-miseho. Mikorontana tanteraka ary ny mahagaga dia toa tsy misy fifampihainoana na fahavononana hifampiresaka intsony.  Tsikaritra ho mikorontana sy tsy milamina intsony mihitsy ny tontolon’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja: ny minisitra voatonona amina kolikoly avo lenta, ny fonja vaky, ny gadra mandositra tsy hita popoka.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT