Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka tao Ampitatafika Efa nilamina tanteraka ny tanŕna


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Anisan’ny tranga iray niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina ny faran’ny herinandro teo ilay fitsaram-bahoaka saika nitranga tao amin’ny fokontany Andrefambohitra, kaominina Ampitatafika.

Raha tsiahivina, polisy iray nanidy olona telo tao amin’ny violon no nampitroatra ny vahoaka. Saika izany foana no hanaovan’ity polisy iray ity ireo olona mpiara-monina aminy, hoy Rakotomavo Albert, lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna ka tsy zakan’ny mponina intsony. Nikasa ny handoro ny tranon’ity polisy ity ny vahoaka saingy nirotsaka nandamina sy nanelanelana ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ka niravona ny raharaha. Efa navoaka ihany koa ireo olona telo voahidy tany amin’ny violon. Tsy nijanona teo ny Ben’ny tanàna fa niezaka nananatra ilay polisy ihany koa mba hananana fiarahamonina mirindra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabĂ´tazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT