Iray volana latsaka izay no nisian’ilay fitsaram-bahoaka nahafaty an-dRakotoarimanana Alfred Yvon, voalaza fa nangalatra tao amin’ny faritry ny anjerimanontolon’Andrainjato Fianarantsoa ny 27 janoary teo.
Namoahana didy fikarohana sy fisamborana ny tovolahy mitondra ny anarana Marinjara Stephan, mpianatra lalàna taona faharoa ao amin’ny oniversiten’Andrianjato ihany. Io ilay nanatonta vatobe ny lohan’ilay rangahy, ka nitarika hatrany amin’ny fahafatesany. Tsy hita mandrak’androany ny tohin’ity raharaha ity hoe efa voasambotra ve izy sa tsia ? Ny mpitandro filaminana ve no tsy manao ny asany sa ity tovolahy ity no mahay miafina? Ahoana ny momba ireo hafa niara-nanatanteraka fitsaram-bahoaka taminy ? Tsy hay intsony ny fandehan-drehetra satria gadra efa any Antanimora sy Tsiafahy aza mbola tafaporitsaka sy tsy hita popoka mainka fa ny mbola afaka miery ety ivelany. Ny volana desambra lasa teo ihany koa no nisian’ilay tovolahy antsoina hoe Djibril tokony higadra 12 taona an-tranomaizina any Antalaha noho ny resaka vono olona tany Sambava roa taona lasa izay, saingy tafavoaka. Mbola nahavita namono olona teny 67Ha ny faramparan’ny volana desambra. Namoahana didy fampisamborana, saingy tsy hita popoka. Re aza fa tafaporitsaka any ampitan-dranomasina. Toa naman’ny vitavita ho azy ireny raharaha vono olona sy fitsaram-bahoaka isan-karazany ireny sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Na izany aza dia milaza ny mpitandro filaminana, fa miasa, saingy mbola olana tokoa angamba ny ara-pitaovana sy ara-teknika. Tsikaritra ho mahery kosa rehefa terena handrava hetsika politika. Toa vao mainka manome vahana ny fanaovana heloka noho ny resaka goragora sy ny fahamaivanan’ny fandraisan’andraikitra. Mahazo laka hatrany ny tsy maty manota.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.