Fandriampahalemana

Fitohanan’ny fifamoivoizana Mila vahaolana maty paika


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Tsy andavanandro, tsy andro tsena fa saika isan’andro mihitsy. T

oa efa rano fisotron’ny mponina eto an-drenivohitra izany, ka zary fahazarana ny miaina azy na fatiantoka tsy roa aman-tany aza no aterany. Maro ireo antony miteraka, toy ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny varotra amoron-dàlana, ny tsy fahaiza-mandrindran’ny tompon’andraikitra,… saingy tsy hita aloha izay tena vahaolana maty paika. Olana ihany koa anefa ny tsy fisian’ny tsinjo lavitra manoloana ny fitomboan’ny fiara andro aman’alina. Isan’ny mahazo kihana ny mpitantana ny renivohitra saingy tsy adidin’ny mpitondra samirery izany, fa zava-dehibe ny fahatongavan-tsain’ny rehetra amin’ny tokony hanarahana lamina sy fandrindrana. Manana adidy lehibe ihany koa ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana, izay matetika mahazo kihana amin’ny resaka fanararaotam-pahefana, izay tsikaritra ho mandeha ila satria ny mpitondra fiara, indrindra fa ny taksibe ihany matetika no maivoka sy tratry ny tsindrihazolena, fa ny rehetra toa afaka manao izay saim-patany ihany. Natao ho an’ny rehetra ny lalàna fa tsy misy fanavakavahana, ary zava-dehibe ny fanabezana ny rehetra hanaja lamina sy fandaminana. Ilaina ny fampiharana sazy henjana ho an’ny rehetra na mety ho sarotra aza satria tokony hajaina ny lalàna fa tsy natao ho soratra mipetraka fotsiny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT