Fandriampahalemana

Fitifirana teny Ampefiloha Nidoboka am-ponja ilay polisy


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Nidoboka am-ponja ilay polisy nitifitra ilay voalaza fa jiolahy nifanenjehana tamin’ny moto saika hanao fanafihana teny Antsahamanitra, ary tra-tehaka tetsy Ampefiloha ny 23 aogositra 2019 lasa teo,

 

 

 

 araka ny fanambarana nataon’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny minisitry ny filaminana anatiny Rafanomezantsoa Roger. Tamin’ny ankapobeny, efa azo ary efa nihohoka tamin’ny tany izy io no nisy ny fanapahan-kevitra nitifirana azy hahatapitra tanteraka ny ainy, raha ny hita tamin’ny horonantsary. Ny polisim-pirenena dia maneho etoana ny fialan-tsiny ary miondrika am-panajana sy miara-ory amin’ny fianakaviana niharam-boina, hoy ny fanambarana. Efa nisy ny fandraisana andraikitra, efa natao ny fanadihadiana, ny fanolorana teo anivon’ny fitsarana, ary dia efa any am-ponja ny nahavanona ny heloka, hoy io fanambarana io. Efa horaisina ihany koa ny fepetra ara-pitsipi-pifehezana (Mesure Disciplinaire) manoloana ny zava-nisy. Ny polisim-pirenena dia manamafy etoana fa tsy miray tsikombakomba velively amin’ny fandikan-dalàna, na inona na inona endriny, ary manome toky ny vahoaka fa hitandro hatrany ny tany tan-dalàna amin’ny fanatanterahana ny asany, hoy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny polisim-pirenena Malagasy. Niteraka adihevitra be tany amin’ny tambajotran-tserasera sy tany anaty fiarahamonina iny toe-javatra iny ka tao ny nankasitraka fa nisy ihany koa no nilaza fa mifanohitra amin’ny zon’olombelona sy mampirisika ny fitsaram-bahoaka ny famonoana imason’ny besinimaro tahaka ireny. Petra-kevitra hafa ihany koa ny hoe nahiana ho namoaka tsiambaratelo ve ka tonga dia novonoina ? Nipaka tany amin’ny polisim-pirenena ny akon’ireny, ka io aloha izany ny fanapahan-kevitra izay mety samy hanana ny fandraisany azy ihany koa ny rehetra. Nialoha ny fanambarana momba ity fepetra noraisina ity, dia efa nisy iray hafa nataon’ny polisy naneho fa «Ny polisim-pirenena dia natao hiasa sy hiaro hanakaiky hatrany ny vahoaka. Nahatsiaro tena ho nahavita ny adidy sy ny andraikitra manoloana ny raha nahasakana ny fanafihana nokasain’ireto jiolahy, saingy sahiran-tsaina rehefa nipariaka ilay horonantsary. Adidy masina sy saro-pady io, ary ny fanatanterahana ny iraka nankinina amin’ny polisim-pirenena. 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT