Fitifirana sy faty

olona teny Namontana


  • Talata 06 Oktobra 2026

eo am-pandohalihana no nisy tifitra variraraka ! »

Nametraka fitoriana ireo lasibatra rehetra, ary mitory ihany koa ny orinasa La Gastronomie Pizza taorian’ilay tranga ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, nisiana savorovoro, ka nahafaty an’i Fanomezantsoa Nomenjanahary Jean Christophe. Nambaran’ny mpisolovava azy ireo omaly, fa ninia nangina aloha ny fianankaviana satria nisy fahafatesana sy naratra, ka ny fikarakarana ny maty sy ny fanavotana ireo lasibatra aloha no natao laharam-pahamehana satria nisy naratra mafy nila fandidiana. Nohazavaina, fa nirava niasa alina tamin’ny 11 ora alina ny mpiasa 9, ka nanatitra ny mpiasa roa satria manofa trano tsy lavitra eo ny mpitantana ary efa fanaon’izy ireo ny manatitra an’io « gérant » io sy mpiasa iray hafa, ka ny 7 noniverina. 5 minitra miala ny tranon’ilay mpitantana no nisy io tifitra io. Polisy tsy manao fanamiana amin’ny maha mpitandro filaminana no nanakana an-dry zareo hoe mijanona ianareo, polisim-pirenena ity. Izy ireo efa zatra hoe ny « patrouille » dia mampiasa karatra ireo olona ireo, raha ny fanazavan’ny mpisolovava. « Nandohalika ireo olona ireo, nilaza hoe sefo a, tsy jiolahy izahay fa mpiasan’ny gastro, saingy tifitra variraraka ny nahazo azy ireo, tsy nisy fanazavana », hoy ny Mpisolovava Maitre Sylvianne Raveloarinivo. Nambarany fa ny iray izay sady nandohalika no nananga-tanana ka iny tanany nitsangana iny no notifirina. Nisy voa teo amin’ny laton-tsandry izay nila fandidiana maika satria tavela tao ny bala, nisy nolalovan’ny bala ny fihirifany izay heverina fa io nahavoa ilay maty, hoy ny fanazavana. Io maty io izay tsy vitan’ny bala fotsiny fa nisy mangana ny masony, izay heverina fa nisy fa famonoana. Misy voa teo amin’ny filahiana sy tongony iray izay any amin’ny Hopitaly miaramila, ary nihosin-dra tanteraka ny làlana sy ny hopitaly. « Aminay dia misy tsy fifandanjan-kery, aminay tsy jiolahy ireo olona ireo fa mpiasa, ary raha ohatra ka nisy fifampiresahana mialoha, raha niteny ireo polisy ireo hoe mijanona, ary nisava ny karatra, dia tsy nisy izao fitifirana izao, ka aminay dia misy ny fihoaram-pefy. Mijoro izahay hiaro sy hitondra ny fiarovana ireo lasibatry ny tifitra, ka efa voapetraka eo anivon’ny fitsarana ny fitoriana. Andrasana am-pitoniana satria matoky ny fahendren’ny Fitsarana sy ny mpitandro ny filamina isika », hoy ny mpisolovava. Miantso sy maniry noho izany izy ireo ny hivoahan’ny marina sy ny tao ambadiky ny fitifirana nahazo ny mpiasan’ny Gastro.

NITOHY NY ZOMA ATOANDRO…
Nanazava ny mpitantana na ny « gérant » fa, nirava tamin’ny 11ora latsaka fahefany eo, tsy lavitra eo no mipetraka fa 5 minitra eo ihany. 9 no miaraka, 2 no naterina. « 10 taona eo no niasanay, fanaonay ny fanaterana ahy, ary matetika mifanojo amin’ny mpitandro ny filaminana amin’iny faritra iny, izay mampiseho karatra foana », hoy izy. Mbola teo am-panalana kiraro aho no naheno poa-basy nirefodrefotra imbetsaka. « Hazokely no netin’ny mpanatitra ahy, tahon-kifafa satria ny andro alina. Nivoaka nanatona ny toeram-piasana tamin’ny 11 ora sy sasany na tamin’ny 12 ora alina latsaka kely, nandalo tamin’ny toerana nisian’ny sakoroka, efa ra be sisa no hita teo, tsy nahita ireo namana mpiara-miasa. Ny zoma 2 Oktobra, tamin’ny 2 ora tolakandro, niditra an-keriny tao amin’ny Gastro Pizza Namontana ny polisy, raha ny filazan’io tompon’andraikitra voalohan’ny toerana io. Nisy ireo mpiara-miasa mba efa tsy dia naninona, nampakana aina tao amin’ny « dortoir », ny vavahady nihidy, ka akory ny hatairana fa polisy marobe no tonga, nisaoty tamboho, tonga dia nanambana basy hoe : « aiza ireo dahalo ». Nanazava ny tenany, fa izy no tompon’andraikitra, ka tsy natao na inona na inona fa « ialahy ialahy », no nataon-dry zareo tamiko, hoy ity farany. Navoaka ireo olona mbola narary, nahohoka tamin’ny tany ny rehetra, nentina avy hatrany, nafatotra tamin’ny fiara 4x4, hoy ny fitantarany. Rehefa tonga tany dia notazonina ireo roalahy, fa ny 3 lahy afaka.

« FIHOARAM-PEFIN’IZAY NANAO AZY ! »
Nanizingizina ny mpisolovava fa tsy nitondra fitaovam-piadiana ireo mpiasa, fa hazo izay tahona «serpillère » hiarovana amin’ny alika noho ny andro alina no teny aminy tamin’ny fotoana nahatrarana azy. « Lazaina fa nitondra basy, ka tsy manana fahefahana hividy basy ireo, olona avy any ambanivohitra,… », hoy ny fanazavana. « Azo lazaina ho « bavure policière » satria raha nanao fampitandremana, nanontany, nisava,… dia nahafantatra tsara fa tsy jiolahy fa mpiasan’ny La Gastronomie Pizza », hoy hatrany io mpisolovava io nanizingizina. Milaza ny tenany fa tsy afaka hanamarina na tsia ny fisiana fanendahana, fa kosa manamafy fa niharan’ny tsy rariny ireo lasibatra. Ny fanadihadiana no hamoaka hoe iza nihoa-pefy, fa aminay dia fihoaram-pefy manokana na « infraction personnelle » ho an’ireo nanao azy. Andaniny, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny tonia mpampanoa lalàna, ary namafisina fa misokatra ny fanadihadiana, eo ny an’ny polisim-pirenena, fa eo ihany koa ny an’ny zandarimariam-pirenena, ahitana ny tena antony sy ny andraikitry ny tsirairay mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana, ka andrasana ny fivoarany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mitsidika eto ny
  • Talata 06 Oktobra 2026

Minisitry ny tafika Frantsay

  • Raharaha Namontana
  • Talata 06 Oktobra 2026

Mandeha ny fanadihadiana roa sosona…

  • Halatra taribin’ny
  • Talata 06 Oktobra 2026

Jirama amin’ny RN1

  • Fanendahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

sy sintomahery

  • FOROCHE
  • Talata 06 Oktobra 2026

TAO AMBANJA

  • Mpiasan’ny Gastro
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

maty voatifitra Milaza tsy

Hijery ny tohiny
FTT