FITIFIRANA MPAMILY TAXI-ANKADINDRATOMBO

Hampiakatra fitsarana ambony ny fianakaviany


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

mampiakatra fitsarana ambony ny fianakavian’ilay mpamily fiara karetsaka maty notifirin’ny jiolahy tetsy amin’ny

tranom-barotra iray etsy Ankadimbahoaka ny datin’ny 23 Jolay taona 2023. Nivoaka afak’omaly 03 Septambra mantsy ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity ka fantatra tamin’izany fa afaka madiodio ilay tena tompon’antoka tamin’ny fitifirana ilay mpamily. Nambaran’ny vadin’Itompokolahy moa fa tena mafy ny mahazo azy ireo hatramin’ny nahafatesam-badiny no mankaty. Fanavotana ain’olona no nataom-badiko hoy izy nefa ny ainy indray no nafoiny raha nilaozany ihany koa izahay vady aman-janany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niandry mpiantsena teo ivelan’ity tranom-barotra iray etsy Ankadimbahoaka ity ilay mpamily fiara karetsaka namoy ny ainy. Nandritra izany anefa no nisy Ramatoa iray niantsena nokendren’ireo jiolahy notafihina ka navotany. Tombanan’ilay Ramatoa vadiny ho hitan’ilay mpamily fiara karetsaka ny endrik’ilay jiolahy mpanafika, antony nanaperan’ireto farany ny ainy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity izy ireo.
Pati
Legende : Tandindomin-doza hatrany ny fiainan’ireo mpamily fiara karetsaka noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT