FITAZOMANA BASY TSY ARA-DALANA

Lehilahy iray no nosamborina tao Antalaha


  • Zoma 31 Janoary 2025

Lehilahy iray 51 taona no fantatra fa nosamborin’ny Polisy tao Antalaha noho ny fitazonana basy tsy ara-dalàna.

Ny 29 janoary lasa teo no nahazo loharanom-baovao ny Polisin'ny FIP Sava, mahakasika ity lehilahy mitazona basy tsy ara-dalàna tany Antalaha ity.Nidina ifotony ny Polisy nanamarina izany. Rehefa nosavaina tokoa ny anaolahy dia tratra teny aminy ny basy poleta vita gasy, tsy misy marika. Nentina natao famotorana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy noho izany mialohan’ny hanolorana azy any amin’ny fitsarana anio zoma 31 Janoary. Marihina fa tsy olon-drehetra no afaka mitazona basy. Ilana taratasy fahazoan-dalana ny fitazomana azy ireny mba hiavahan’ny vary amin’ny tsiparifary.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy nitazona basy tsy ara-dalana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT