Fandriampahalemana

Fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna Basy miisa 493 no nisy nanatitra an-tsitrapo


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Basy 493 no natolotry ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny Fitaleavan’ ny Fanompoam-pirenena sy fiandry omaly 15 desambra teny Andohalo.

 Azo tamin’ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy naterin'ireo olona an-tsitrapo ireo basy ireo, ka tafiditra ao anatin’ny hetsika "iray volan’ny famotsoran-keloka amin’ny fitazomana basy tsy ara-dalàna" ny 16 novambra-15 desambra, natao hamongorona ny fiparitrahan’ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, hoy ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny faritra Bongolava, Melaky, Tsiribihina no nahitana basy tsy ara-dalàna betsaka indrindra. Misy ny basy mahery vaika, misy basy vita gasy maro, basim-borona, grenady 6, cartouche-na bala 50 eo,... Tsy misy avy any amin’ny tafika ireo raha ny fanamarihana. Hojerena manokana ny tena fihavian’ireo basy vita gasy hoe: aiza ny fototra? Nanome voninahitra ny fotoana ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly RajaonarivonY Alexandre, izay nankasitraka izao vokatra izao. Hatreto dia mitôtaly 610 ireo basy tsy ara-dalàna voaangona manerana ny Nosy ary miitatra hatramin’ny 30 desambra ny fe-potoana ahafahana manatitra ny basy tsy ara-dalàna. Tsy misy arakaraka na fanasaziana ny fanaterana an-tsitrapo ny basy mandra-pahatongan’io fotoana io. Aorian’izao kosa dia hisy ny baiko hisafoana sy hitadiavana hatrany ifotony ny olona mitazona basy. Maro ny ambana, mivoatra ny fitaovana sy paikady entin’ny mpanao ratsy, ka mivoatra tahaka izany ihany koa ny an’ny foloalindahy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT